
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 26 may ny fiofanana natokana ho an’ny tanora miisa 440 avy amin’ny faritra Toliara, ary hitohy hatramin’ny alarobia ho avy izao. Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, no nitarika ny lanonam-panokafana.
Nandritra ny lahateniny dia nanamarika ny anjara toerana lehibe ananan’ny tanora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Minisitra. Nampahatsiahiviny fa andry fototra amin’ny fahombiazana sy fanatratrarana ny fahaleovan-tena eo amin’ny firenena ny tanora.
Nanotrona ny lanonam-panokafana Andriamatoa Edouard Christow, Solontena maharitra ny PNUD eto Madagasikara. Nanatrika ihany koa ireo mpampiofana maro sy ireo tompon’andraikitry ny tetikasa Fihariana. Nisy ireo solontenan’ny UNICEF Madagascar sy ny UNFPA Madagascar izay nanome voninahitra ny fotoana ho fanehoana ny fandraisan’anjaran’izy ireo amin’ity hetsika ho an’ny tanora ity.