
Ny 31 Jolay 2025, tetsy amin’ny Carlton Anosy, no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa famolavolana ny paikady nasionaly ho an’ny fiovam-pihetsika sy ara-piarahamonina. Nanotrona izany, Ramatoa Arlette Rahajarijaona, tale jeneraly misahana ny tanora sy ireo tale samihafa eto anivon’ny minisitera
Ity paikady ity dia mikendry ny hampivondrona ny ezaka, hampifanaraka ny fomba fiasa, ary hamorona rafitra iraisana ho fitarihana ireo hetsika momba ny fiovan’ny fiainam-piaraha-monina sy ny fitondran-tena amin’ny sehatra nasionaly. Anisan’ny tanjona lehibe ihany koa ny hanamafisana ny fahaleovantenan’ny fiarahamonina sy ny fandraisana anjaran’ny tanora ho an’ny fanatsarana ny fiainana ara-tsosialy sy ara-piarahamonina.
Ny famolavolana izao paikady izao dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta malagasy sy ny UNICEF.
Ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihin’ny minisitra, Moustapha Marson dia mivelatra hatrany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra ho fanatrarana ny tanjona apetraky ny fitondram-panjakana.