
Nanatrika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa araha-dinidinika natokana ho fampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy tanora amin’ny sehatry ny politika sy fanamafisana ny fandriampahalemana eto Madagasikara, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah.
Ity hetsika maharitra hateloana ity dia karakarain’ny Vondrona Afrikanina, ary tanora mpitarika fikambanana miisa 30 no mandray anjara amin’izany.
Nampahatsiahivin-dRamatoa Alice NZOMUNKUNDA, solontenan’ny Vondrona Afrikanina, fa zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny sehatra politika satria io no fototra hiorenan’ny demokrasia marina sy ny fampandrosoana maharitra.
Mipetraka ho vaindohan-draharahan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fampiroboroboana ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona sy demokratika, ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy fandraisan’anjara an’ny tanora amin’ny raharaham-pirenena.