FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY « RALLYE DES INDUSTRIES »

Notanterahina ny Zoma 20 Jona 2025 tao amin’ny efitrano HAVORIA Anosy ny lanonana ofisialy nanokafana ny fifaninanana “Rallye des Industries”. Fiaraha-mikarakara teo amin’ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM) sy ny Agence Mercatis izay nampivondrona ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny indostria sy tanora maro.

Ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Marson Moustapha, izay mpiahy ny hetsika, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana. Nandritra ny lahateniny no nanamafisany ny lanjan’ity fifaninanana ity amin’ny maha sehatra stratejika azy amin’ny fanofanana matihanina, fanavaozana ary fanandratana ny fahaiza-manao vita Malagasy.

Notsindriany fa mifanaraka tanteraka amin’ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, ity tetikasa ity, indrindra fa amin’ny fampiharana ny fototra faharoa amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE), dia ny indostria miara-misandratra, izay mametraka ny tanora ho fototra iorenan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena.

Nohamafisin’ny Minisitra ny fanoloran-tenany amin’ny fanohanana ny tanora malagasy. Nambarany fa miankina amin’ny kalitao, ny fahaiza-manao ary ny fandraisana andraikitry ny tanora ny hoavin’i Madagasikara. Nambaran’Andriamatoa Minisitra ihany koa fa misy ireo solotena avy amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay mandrafitra ny mpitsara amin’izao fifaninanana izao ka mandray anjara amin’ny fifantenana ireo mendrika indrindra.

« Mandroso miaraka amin’ireo tanora i Madagasikara», hoy izy nanamafy, sady nandefa hafatra feno fanentanana sy fanohanana ho an’ireo mpandray anjara rehetra, izay nofaritany ho mpitarika vaovao amin’ny fampandrosoana nasionaly.