
Ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanamafisana ny mangarahara amin’ny fitantanana raharaham-panjakana, izay anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny fotoam-pitondrana faharoan’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, dia notanterahina ny alahady 20 jolay lasa teo ny fanolorana ireo tohana ara-bola ho an’ny federasiona ara-panatanjahantena hiatrika fifaninanana any ivelany izay notarihan’ny Minisitra Marson Moustapha tetsy Ambohijatovo.
Ireo federasiona nanao fangatahana ara-dalàna sy nahazo fankatoavana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra farany teo, no nisitraka ireo tohana.
Nisantarana izany ny Federasiona Malagasy ny Karaté, izay nahazo tohana mitentina 177 808 000 ariary, ary ny Federasiona Malagasy ny Tenisy ambony latabatra, izay nahazo 128 326 800 ariary.
Manomboka eto dia hatao am-pahibemaso ny fivoahan’ny vola fanohanana ho an’ireo federasiona tsirairay, ho fanajana ny mangarahara ny amin’ny fampiasam-bola avy amin’ny volam-bahoaka.