Fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tanora 2025

Ny 12 aogositra no fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, izay ankalazaina manerana ny nosy. Ny lohahevitra amin’ity taona ity dia : « Actions locales des jeunes pour les ODD et au-delà » . Misy hetsika atao manerana ny fitaleavam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena 24 manerana ny nosy. Ho an’ny fankalazana nasionaly, ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay  tarihin’ny Minisitra Moustapha Marson Abdulah ary miara-miasa amin’ny Fihariana, Observatoire de la Jeunesse, UNICEF, UNFPA, PNUD, NATIONS UNIES Madagascar, UNITED NATIONS HUMAN RIGHTS, Ny Havana Assurance, U Report by Unicef, Orange Madagascar dia manolotra hetsika marolafy ho an’ny tanora mandritra ny efatra andro.

Nasongadina mandritra ny fankalazana ny fandraisana andraikitry ny tanora ho an’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy na ny ODD, ary koa ny fanomezana lanja ireo hetsika ataon’ny tanora ho amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy, sy ny fanatsarana ny fiaraha-monina.

Mandritra ny efatra andro dia hetsika maro no hita eto an-drenivohitra : diabe, Tanora Mandrafitra ny ho avy, Zatovovavy Miavotra sy Mivoatra (Girl’s Empowerment), famaranana ny Hackathon, Tsenaben’ny Tanora, hetsika ara-panatanjahantena, fanentanana ara-kolotsaina sy ara-javakanto, ary ny « Master Class » ao amin’ny QG Tanora Ankorondrano.

Mifandray tanteraka amin’ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny YouthConnekt Africa Summit 2025 izay hotanterahana eto Antananarivo ny volana novambra izao ny hetsika rehetra.

Ny lanonana ofisialy izay notanterahina ny 12 aogositra tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina dia nahitana fifampizarana sy fifanankalozan-kevitra niarahana tamin’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena sy olona manan-kaja samihafa izay mahakasika tanteraka ny fiainan’ny tanora eo amin’ny lafiny fandraharahana sy ny fizakan-tenan’izy ireo.