Nankalazaina ny 23 jona 2025 ny Andro Afrikanina ho an’ny Asam-panjakana. Nandritra izany dia nitondra fankaherezana ho an’ireo mpiasam-panjakana rehetra Ramatoa Hanitra Fitiavana RAZAKABOANA, Minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana.
Nankasitrahany manokana ny fandraisana andraikitra sy fanoloran-tenan’ireo mpiasam-panjakana sady nanentana azy ireo mba hanohy hatrany ny asany amin-kitsimpo sy matihanina, ka hanaja mandrakariva ny fitsipi-pitondran-tena sy ny etika anatin’ny asam-panjakana. Nampahatsiahiviny ihany koa ny maha zava-dehibe ny ady amin’ny fitarazoan’ny raharaha ara-panjakana.
Nisy ny amboara manokana ho marim-pankasitrahana ireo minisitera izay nanao ezaka manokana tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasany. Tao anatin’izany dia nahazo laharana faharoa ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, noho ny ezaka sy finiavana nasehony teo ambany fitarihan’ny minisitra.
Nahatratra 402 ireo mpiasan’ny ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena nisitraka fiofanana, ka 385 teto an-toerana ary 7 tany ivelany.
Natolotra ny minisitra MARSON Moustapha Abdulah io amboara io amin’ny anaran’ny mpiasan’ny minisitera manontolo.