
Tontosa ny 23 sy 24 may 2025 tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Morombe, Faritra Atsimo Andrefana, ny hetsika “Tranoeva ho an’ny fandraharahana ara-bola tsy anavahana sy fandraharahan’ny Tanora ambanivohitra”, nokarakarain’ny tetikasa SPICES miaraka amin’ny CRS Madagascar. “Bohaboha fa Tanora Mikofoky” no lohahevitra nentin’ny hetsika.
Anisan’ny nisongadina tamin’ny hetsika ny fampirantiana ireo vokatra sy sehatra fihariana ataon’ny tanora mpandraharaha, ny fijoroana vavolombelona sy fizarana traikefa momba ny asa fandraharahana eny ifotony.
Nandray anjara mavitrika ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fandraharahana sy fampananan’asan’ny Tanora (DEEJ), tamin’ny fizarana torolalana sy tetikasa ho fanohanana ny tanora mpandraharaha, nandritra ny andron’ny Zoma 23 may.
Tanora 60 avy amin’ireo kaominina valo manodidina an’i Morombe (Ambaikily, Ankatsakatsa Sud, Befandriana Sud, Basibasy, Antanimeva, Tanandava Station, Tuléar II ary Morombe) no nandray anjara, anisan’izany ireo Tanora Mpanabe Olo-mitovy (Jeunes Pairs Éducateurs) tarihin’ny Delegasiona isam-paritra misahana ny Tanora sy Fanatanjahantena (DRJS Atsimo Andrefana).
Nifarana tamin’ny fifaninanana tetikasa madinika ny hetsika, ka telo (3) tamin’ireo no nahazo fanohanana: fambolena tongolo sy famatsiana masomboly, fanokafana gargote, fanamboarana mofo sy mofomamy.
Natokana ho an’ny fikambanana VOAMAMI kosa ny Sabotsy 24 may, ka nanao “carnaval” izy ireo, niaraka tamin’ireo tanora avy amin’ny kaominina rehetra nandray anjara.