Fanatanjahantena : notolorana marim-pankasitrahana sy famporisihana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ireo atleta namiratra tao anatin’ny roa volana farany

Niteraka fahombiazana ny ezaka sy risi-po nanan’ireo tanora atleta malagasy niatrika ny fifaninana iraisam-pirenena samihafa. Tsara ny vokatra tato anatin’ny 2 volana farany. Nanamafy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël fa ny fikirizana sy ny fandraisana andraikitry ny tanora no nahazoana izao vokatra ireharehan’ny firenena Malagasy izao.

Tsy adinon’Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré, minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny nankasitraka ny asa nataon’ireo atleta sy ireo teknisiana ary ny federasiona isan-tsokajiny nahatongavana amin’izao toerana izao.

Sangany eto Afrika ny taranja basketball 3×3 lahy sy vavy. Niravaka medaly volamena amin’ny tompondakan’i Afrika.

Namiratra ny taranja Jiu-Jitsu, fiadiana ny tompondaka eran-tany andiany faha 17 natao tany Abu Dhabi. Nahazo medaly volamena i

Ranaivomanana Idealisoa, vao 8 taona monja. Torak’izany koa Ranarivelo Ando Mahasoa, 8 taona nahazo medaly alimo.

Fifaninanana nampamiratra ny mpanamory fiarakodia malagasy koa ny tany Asie izay nahazoan’i Iaro Razanakoto ny « 1er Prix Gran Tourismo en Asie du Sud –Est »

Samy notolorana mari-boninahitra sy fankasitrahana manokana ireo kitan’ny fanatanjahantena malagasy ny 20 desambra 2025 teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Nisitraka izany koa ny STAFF Teknika.

Ny hitazonana ny vokatra tsara tahaka izao no tanjona amin’ny alalan’ny fametrahana ny politika nasionaly ho an’ny tanora sy fanatanjahantena mahomby. Maika ihany koa ny fametrahana ny paikadim-pirenena hoan’ny tanora sy ny fanatanjahantena raha ny nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika.

Lanonana notarihan’ny filohan’ny fiadidiana ny Fanaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Ny kolonely RANDRIANIRINA Michaël sy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena RASAMBANY Alain Désiré no natao teny Iavoloha.