Famirampiratan’ny ny Tanora Malagasy eo amin’ny sehatra iraisampirenena: naneho hevitra sy naneho fahavononana amin’ny fanatsarana ny fanabeazana eto an-toerana ny tanora

Notanterahina ny 22 may 2025 tao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny atrikasa “Youth Foresight Fellowship” na “Vatsim-pianarana ho an’ny Tanora”. Ity hetsika ity dia sehatra natokana hanangonana sy handinihana ny hetahetan’ny Tanora Malagasy mikasika ny hoavin’ny fanabeazana. Nanome fotoana ireo tanora hamolavola vinam-pandrosoana iombonana sy maharitra amin’ny sehatry ny fanabeazana ity atrikasa ity.

Nokarakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampamirapiratana ny Tanora amin’ny sehatra iraisampirenena, niaraka tamin’i Ifaliana RASIDINANTENAINA, solontenan’ny Youth Foresight Fellow avy amin’ny UNICEF Innocenti ny hetsika.

Nandritra ny atrikasa dia nanome sehatra ho an’ny tanora ny mpikarakara mba hanehoany ny nofinofiny, ny faniriany, ary ireo olana atrehan’izy ireo amin’ny lafiny fanabeazana. Ity hetsika ity dia tafiditra amin’ny ezaka iraisampirenena ataon’ny UNICEF hanangonana sy hampitondrana ny feon’ny tanora maneran-tany amin’ny alalan’ny tatitra iraisam-pirenena.

Ankoatra izany, nanome fahafahana ho an’ny tanora Malagasy ihany koa izy ity mba hahafantarany ireo soa fanararaotra misy ho azy ireo, hirotsaka an-tsehatra amin’ny fifanakalozana traikefa amin’ireo tanora manan-talenta hafa, ary indrindra, handray anjara amin’ny fananganana Madagasikara mandroso sy maharitra.

Manolotra fisaorana feno ho an’ny UNICEF Madagascar sy Ifaliana RASIDINANTENAINA ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tarihin’Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah, noho ny fiaraha-miasa  amin’ny fanohanana ny tanora Malagasy ho amin’ny ho avy mamiratra.