
Nisy ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety izay natao tetsy amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy ao Antsahavola ny zoma 25 jolay mahakasika ny fakan-kevitra momba ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana izay handrafetana ny « Contributions Déterminées au Niveau National (CDN 3.0) » andiany faha-telo ho an’i Madagasikara.
Ity fakan-kevitra isam-paritra ity izay hitohy manerana ny nosy dia mikendry ny hisian’ny fiaraha-mientana amin’ny sehatra rehetra amin’ny fiarovana sy ny fiahiana ny tontolo iainana. Tanora eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 35 taona no voakasika amin’izany. Faritra dimy manerana ny nosy no hanatanterahana izany dia ny faritra : Atsinanana, Boeny, Atsimo Andrefana, Anosy ary Diana ka hatomboka any amin’ny faritra Atsinanana (Toamasina) izany ny 29 hatramin’ny 31 jolay 2025.
Ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy (MEDD), ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny UNFPA Madagascar, ny UNICEF Madagascar, ary ny Alliance Aika no mpiara-miasa amin’ity fakan-kevitra nasionaly ity.
Tonga nanatanteraka ny valan-dresaka tamin’izany ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy, Andriamatoa Max Andonirina Fontaine, ny Tale Jeneralin’ny Tanora, Ramatoa Rahajarijaona Arlette, ny solontena maharitry ny UNICEF, Christine Jaulmes, ny Solontena Lefitry ny UNFPA, Ngoy Kishimba, ary ny filohan’ny Alliance Aika, Andrianirina Lucky.