Elgeco Plus nandrombaka ny Amboaran’i Madagasikara 2025

Tontosa ny alahady20 jolay  teny amin’ny kianja Elgeco Plus, By Pass, ny lalao famaranana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra. Nifandona tamin’ity dingana famaranana ity ny ekipan’ny tompon-tanàna, Elgeco Plus, sy ny AS Fanalamanga.

Nisaraka tamin’ny isa 1 noho 0 ho an’ny Elgeco Plus ny lalao, taorian’ny 90 minitra nilalaovana. Teo amin’ny minitra faha-67 no nahatafidirana ny baolina tokana tamin’ny alalan’i Ismail Kevinakambi, teratany Kameroney milalao ao amin’ny Elgeco Plus.

Tonga nanatrika ity lalao famaranana ity teny an-toerana ny Minisitry ny tanora sy ny Fanatanjahantena, Moustapha Marson Abdulah, niaraka tamin’ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra, Andriamanampisoa Alfred, sy ireo mpankafy marobe.