
Nosokafan’ny lehiben’ny kabinetra ao amin’ny Biraon’ny Firenena Mikambana misahana ny Tanora, Andriamatoa Elizeu Chaves Jr tamin’ny fomba ofisialy ny 15 aprily any New york, Etazonia ny ECOSOC Youth Forum 2025 izay narahina tamin’ny lahateny fanokafana nataon’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena eto Madagasikara, Andriamatoa Marson MOUSTAPHA Abdulah.
Ny talen’ny sampana misahana ny fandaharan’asa ao amin’ny UNFPA, Soyoltuya Bayaraa, no nanao ny lahateny fanokafana tamin’ny anaran’i Diene Keita, lefitry ny talen’ny mpanatanteraka ao amin’ny UNFPA, ary izy ihany koa no nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ilay tatitra famintinana vaovao iraisam-pirenena momba ny porofo sy ny angon-drakitra #Eval4Youth.
Toy izao ny dinik’asa nandritra izany :
-Fanalana sakana amin’ny fanabeazana sy ny asa ho an’ny tanora
-Fanovàna ireo vahaolana eo an-toerana ho lasa tombotsoa
-Fampifandraisana ireo hevi-dehibe : fiaraha-miasa feno sy miampita sehatra
-Fanomezana fahafahana ny tanora amin’ny alalan’ny fanovana politika sy rafitra
Manana tombony ireo tanora Malagasy izay miatrika ity fihaonam-be ity noho ireo lahadinika izay mahakasika azy ireo mivantana. Izany dia mifanaraka hatrany amin’ny politikam-panjakana izany manome vahana ireo tanora ho ampingan’ny fampandrosoana ny firenena.