
Nanomboka ny 23 febroary ary hifarana ny 25 febroary 2021 ny fivoriana iarahan’ireo tompon’andraikitra lehibe avy amin’ny firenena mpikambana ao anatin’ny CONFEJES izay tanterahina any Ouagadougou, Burkina Faso.
Misolo tena an’i Madagasikara amin’izany ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON sy ny Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena.
Anisan’ireo firenena manatrika ny fivoriana amin’ny endrika ampitain-davitra isika noho ny antony ara-pahasalamana manoloana ny Covid-19.
Tontosa nandritra ny fivoriana androany ny fanaovana ny tatitra momba ny fitantanana ara-bola, ny asa vita nandritra ny taona 2020, ny fametrahana ny fandaharan’asa vaovao hotanterahina mandritra ny taona 2021, ary momba ny fanavaozana ity andrim-panjakana ity.
CONFEJES- 38eme RÉUNION DES EXPERTS DU SPORT ET DE LA JEUNESSE
La réunion des experts des pays membres de la CONFEJES a débuté aujourd’hui 23 février 2021 et continuera jusqu’au 25 février 2021 à Ouagadougou Burkina Faso.
Madagascar est représenté par le Directeur Génerale de la Jeunesse Madame Juliana RATOVOSON et le Directeur Géneral du Sport, Madame Rosa RAKOTOZAFY auprès du Ministère de la Jeunesse et des Sports.
Les réunions sont organisées en mode hybride à cause du covid-19 qui a empêché plusieurs pays à faire le déplacement. Madagascar participe via visio-conférence.
Les réunions ont été consacrée à la présentation du bilan des activités 2020 de la.Confejes, le projet de programmation des activités 2021 ainsi que la réforme institutionnelle après ces 50 ans d’existence.