CONFEJES – FIVORIAMBE FAHA-38 NY MANAMPAHAIZANA MANOKANA MOMBAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

Nanomboka ny 23 febroary ary hifarana ny 25 febroary 2021 ny fivoriana iarahan’ireo tompon’andraikitra lehibe avy amin’ny firenena mpikambana ao anatin’ny CONFEJES izay tanterahina any Ouagadougou, Burkina Faso.

Misolo tena an’i Madagasikara amin’izany ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON sy ny Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena.

Anisan’ireo firenena manatrika ny fivoriana amin’ny endrika ampitain-davitra isika noho ny antony ara-pahasalamana manoloana ny Covid-19.

Tontosa nandritra ny fivoriana androany ny fanaovana ny tatitra momba ny fitantanana ara-bola, ny asa vita nandritra ny taona 2020, ny fametrahana ny fandaharan’asa vaovao hotanterahina mandritra ny taona 2021, ary momba ny fanavaozana ity andrim-panjakana ity.

CONFEJES- 38eme RÉUNION DES EXPERTS DU SPORT ET DE LA JEUNESSE

La réunion des experts des pays membres de la CONFEJES a débuté aujourd’hui 23 février 2021 et continuera jusqu’au 25 février 2021 à Ouagadougou Burkina Faso.

Madagascar est représenté par le Directeur Génerale de la Jeunesse Madame Juliana RATOVOSON et le Directeur Géneral du Sport, Madame Rosa RAKOTOZAFY auprès du Ministère de la Jeunesse et des Sports.

Les réunions sont organisées en mode hybride à cause du covid-19 qui a empêché plusieurs pays à faire le déplacement. Madagascar participe via visio-conférence.

Les réunions ont été consacrée à la présentation du bilan des activités 2020 de la.Confejes, le projet de programmation des activités 2021 ainsi que la réforme institutionnelle après ces 50 ans d’existence.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...