COMESA : FIVORIAN’IREO TEKNISIANA AMBONY MISAHANA NY TANORA

Nanomboka anio 14 Jona 2021 ny fivoriana ampitain-davitra tanterahin’ireo teknisiana ambony misahana ny Tanora eo anivon’ny firenena mpikambana ao anatin’ny COMESA (Common Market for Eastern and Southern Africa), izay ahitana firenena 21.

Amin’ny maha filohan’ny COMESA an’i Madagasikara dia i Madagasikara no nitarika izany fivoriana izany ka ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora Ramatoa Juliana Ratovoson no mitarika izany ao anatin’ny 03 andro.

Ny vontoatin’ny fivoriana dia ny famolavolana paikady hampandrosoana ny tanora eo amin’ny lafiny fitarihana (leadership), ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fifidianana, ny fandriampahalemana,  ny fametrahana ny « Youth Advisory Panel » ary ireo paikady ara-tserasera.

Natao  izao fivoriana izao ho fanomanana ny fivoriamben’ ny Minisitry ny tanora ny 18 Jona izao, ahafahana mifampizara traikefa sy fampiharana mahomby eo anivon’ireo firenena rehetra mpikambana, ary ihany koa hitondrana tatitra mahakasika ny fandaharanasa ho fanomezan-danja ny Tanora sy ny vehivavy izay mifanaraka amin’ny tanjona napetraky ny Fiombonambe Afrikanina sy ny COMESA.

Aorin’izao atrikasa izao dia hisy ny tari-dalana stratejika ho entina hampivoarana sy hanampiana ny tanora izay hotanterahin’ireo ministera misahana ny tanora eny anivon’ny firenena mikambana @ COMESA.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...