
Tantara vaovao no nosoratan’ny Barea an’i Madagasikara. Hifandona amin’i Maroc amin’ny sabotsy 30 aogositra 2025 izao ny ekipan’ny Barea rehefa nandavo an’i Soudan teo amin’ny lalao manasa-dalana izay tena niady tokoa. Tany amin’ny minitra faha 116 tao anatin’ny fanalavam-potoana no nampiditra ny isa tokana i Toky izay nitarika ny fandresena ho an’ireto mahery fo ireto.
Voalohany teo amin’ny tantaran’ny ekipam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra izao fahombiazana izao. Miarahaba sy midera ny Barea an’i Madagasikara ny Filoha Andry Rajoelina amin’izao fandresena izao ary mankahery azy ireo amin’ny lalao famaranana.