
Nigadona an-tanindrazana ny alahady 31 aogositra 2025 ireo mpilalaon’ny Barea an’i Madagasikara rehefa avy niady ny lalao famaranan’ny CHAN 2025 tany Kenya izay nifanandrinany tamin’ny ekipan’i Maroc. Na dia teo aza ny faharesena telo noho roa dia dingana lehibe no vita teo amin’ny sehatry ny baolina kitra ary mendrim-piderana ny zava-bita.
Vahoaka maro no nihorakoraka nandritra ny fandalovan’izy ireo niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nihazo ny kianja Barea. Nisy ny lanonana fandraisana azy ireo tao Mahamasina izay natrehan’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina , ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta izay nahitana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Moustapha Marson ary ireo olona manan-kaja samihafa.
Nampiray ny malagasy ary reharehan’ny firenena iray manontolo ny zava-bitan’ny Barea ary nanome toky izy ireo ny hanome ny tsara indrindra hatrany ho voninahitr’i Madagasikara.