
Ny fitondram-panjakana, tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, dia manome lanja hatrany ny fanohanana ny atleta malagasy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Tsy misy latsa-danja ireo taranja rehetra, ary manaporofo izany ny fahavononan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo federasiona tsirairay.
Tonga nitsodrano an’ireo mpilalao Barea CHAN ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Moustapha Marson, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 28 Jolay 2025. Hotanterahana any Kenya, Tanzanie ary Ouganda ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika na ny « Championnat d’Afrique des Nations CAF TotalEnergies » ny 2 hatramin’ny 30 aogositra izao izay handraisan’i Madagasikara anjara.
Ankoatra ny fitsofan-drano sy ny fampaherezana, dia nanolotra vatsin-dalana ho an’ny mpilalao ny fitondram-panjakana. Nanome toky izy ireo fa hanao ny ezaka rehetra ary hitondra vokatra tsara ho an’ny voninahitr’i Madagasikara.