ATRIKASA FANOMANANA NY FAMOAHANA NY U-REPORT MADAGASIKARA. FAMARANANA NY ATRIKASA MAHAKASIKA NY U-REPORT MADAGASIKARA.

Nifarana androany 21 aprily 2021 ny atrikasa namolavolana ny tondrozotra mahakasika ny U-Report Madagasikara sy ny fanomanana mialoha ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ity tetikasa ity. Naharitra roa andro ny atrikasa izay notanterahina tao amin’ny Carlton Anosy.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nitarika ny fivoriana izay niarahany tamin’ny Unicef Madagasikara.

Voafaritra nandritra ny atrikasa ireo tondrozotra mamaritra ny anjara andraikitr’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny U-Report Madagasikara, teo koa ny fandrafetana ny drafitr’asa mandritra ny taona sy ny fametrahana ny kaomity mpitantana eto anivon’ny renivohitra sy ny any amin’ny faritra.

Nofaritana nandritra izao fivoriana izao koa ny fandaharan’asa sy ny paikady rehetra hotanterahina mandritra ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny U-Report Madagasikara amin’ny volana Jona izao.

Nanome voninahitra ary nanakatona tamin’ ny fomba ofisialy ny fivoriana androany ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena , Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, izay nisolo tena ny Tale Jeneraly ny Tanora tamin’ny alalan’ny sary ampitain-davitra.

Nohamafisiny tamin’izany ny tokony hanomezana lanja sy andraikitra ny tanora ary ny fihainoana azy ireo mba ahafahany mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena satria fantatra fa ny tanora no maro an’isa indrindra eto Madagasikara.

Tsy hadinon-dRamatoa Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena ary nentiny namarana ny lahateny izay nataony ny nisaotra ireo ankolafy rehetra niara nisalahy sy ireo mpisehatra amin’ity tetikasa ity dia ny UNICEF Madagasikara,ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary ny Agence Torio.

« U-report Madagasikara, Manan-danja ny Feoko ».

CLÔTURE DE L’ATELIER SUR U-REPORT MADAGASCAR.

L’atelier sur l’élaboration de la feuille de route pour U-Report Madagascar et la préparation du lancement officiel de ce projet a pris fin aujourd’hui, 21 avril 2021. L’atelier a duré deux jours au Carlton Anosy.

Le Ministère de la Jeunesse et des Sports a présidé la réunion en appui de l’Unicef Madagascar.

Durant l’atelier, les participants ont pu définir les lignes directrices quant aux rôles de tous les acteurs dans U-Report Madagascar, ainsi que l’élaboration d’un plan de travail annuel et la mise en place d’un comité de pilotage au niveau national et régional. En outre, les programmes pour le lancement officiel de U-Report Madagascar en mois de Juin sont déjà disponibles.

En l’absence de son homologue, le Directeur Général de la Jeunesse, le Directeur Général des Sports, Mme Rosa RAKOTOZAFY, en mode hybride , a clôturé officiellement l’atelier.

Elle a souligné durant son discours l’importance de valoriser et de responsabiliser les jeunes. En effet, ils sont des acteurs incontournables au développement du pays car nous savons que la majorité de la population Malagasy est jeune.

Le Directeur Général des Sports, au nom du Ministère de la Jeunesse et des Sports, a remercié toutes les parties impliquées et les acteurs de ce projet, à savoir l’UNICEF Madagascar, le Ministère de la Communication et de la culture et l’Agence Torio.

« U-report Madagascar, Ma Voix compte ».

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...