Atrikasa Fanofanana Life Skills sy Kolontsaina Mpandraharaha teny amin’ny CFPT-FMA Ivato

Tontosa ny Zoma 02 May 2025 lasa teo ny atrikasa fanofanana momba ny fahaiza-miatrika fiainana (Life Skills) sy ny kolontsaina mpandraharaha (Culture Entrepreneuriale), izay natao teny amin’ny Centre de Formation Technique et Professionnelle de Fille de Marie Auxiliatrice Ivato (CFPT-FMA).

Tanora miisa 150 no nandray anjara tamin’izany, ka avy amin’ny taona voalohany amin’ny sampana roa samihafa ireto mpiofana ireto:

  • Sampana Zaitra, izay ahitana ireo mpianatra mikendry ho « styliste » na « machiniste »,
  • Sampana Fitantanana, izay ahitana ireo mpianatra ho « agent comptable » sy « agent commercial ».

Ity atrikasa ity dia vokatry ny fiara-miasa teo amin’ny CFPT-FMA sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ary notanterahin’ny Fitaleavana misahana ny fandraharahana sy ny fampananan’asan’ny Tanora (Direction de l’Entrepreneuriat et des Emplois des Jeunes – DEEJ).

Ny tanjona lehibe dia ny famohazana ny kolontsaina mpandraharaha eo amin’ny tanora sy ny fanomanana azy ireo ho VONONA sy VANONA amin’ny sehatry ny asa sy ny fiainana andavanandro.

Ho fanamafisana sy fitohizan’ity fiara-miasa ity, ary araka ny hetahetan’ireo tanora mpiofana, dia resy lahatra sy nanapa-kevitra ny CFPT-FMA sy ny minisitera fa hisy fiofanana fanampiny ho an’ireo tanora ireo amin’ny fotoana manaraka, izay hifantoka bebe kokoa amin’ny sehatry ny fandraharahana.