Atrikasa fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena

Tanterahina ao amin’ny « Petit Palais » etsy Mahamasina manomboka ny talata 22 jolay, ary haharitra efatra andro, ny atrikasa fanatevenam-pahalalana sy fanamafisana traikefa ho an’ireo tomponandraikitra ambony ao amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ankoatra ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny fitantanana foibe dia misy ireo solontena avy amin’ny fitaleavam-paritra manerana an’i Madagasikara mandray anjara amin’izany hetsika izany.

Mifanaraka amin’ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, ny atrikasa, izay mikendry fanatsarana sy fanadiovana ny fitantanana raharaham-panjakana, ary koa ny fampiroboroboana ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny asa.

Nosokafan’ny Minisitra Moustapha Marson tamin’ny fomba ofisialy ity atrikasa ity. Nambarany fa zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana sy ny fanavaozana ifotony, mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, ka izay indrindra no tanjon’ity fihaonambe ity.

Ankoatra izany, natao ihany koa ny atrikasa mba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny foibe sy ny sehatra any ifotony amin’ny lafiny Tanora sy Fanatanjahantena, ka ho afaka hifandrindra amin’ny fanatanterahana ireo vina sy tetikasa iombonana ireo rantsamangaika rehetra.