Notanterahina tao amin’ny QG Tanora Ankorondrano ny Alatsinainy 14 sy Talata 15 Jolay 2025 ny hetsika natao hanamarihana ny Andro Manerantany ho an’ny Fahaizamanaon’ny Tanora. Nisy tamin’izany ny fampirantiana, fanentanana, atrikasa « masterclass », famelabelaran-kevitra, ary fijoroana vavolombelona mifandraika amin’ny lohahevitra voatondro amin’ity taona 2025 ity.
Nandray anjara tamin’ny fikarakarana ny hetsika ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tarihin’ny Minisitra Abdulah Marson MOUSTAPHA.
Nisy ihany koa ny fiaraha-mientana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maro an’isan’izany ny PVNU, PNUD, UNICEF, UNESCO, Arisera, Tetikasa IRF Tanora, Rary Aro Madagasikara, Studio Sifaka, Passerelles Numériques Madagascar, U-Report Madagascar, Orange Digital Center, Ecoles Internationales Maarif Madagascar, France Volontaires Madagascar, Humanité & Inclusion Programme Madagascar, Tetikasa TAFA, MUSEA, FISA, Loharano II, VTI TMamiratrA, VTI TMV Ts’art, Ifaliana RASIDINANTENAINA, ary ireo tanora mpandraharaha.
Nampitomboina ihany koa ny fanentanana momba ny lanjan’ny fahaiza-manao amin’ny sehatra nomerika sy ny fahafantarana ny ilontsaina artifisialy. Tanjona amin’izany ny hanomezan-danja ny tanora ho mpandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana lovainjafy.
“Tanora mahafehy ny ilontsaina artifisialy sy ny tontolo nomerika, tanora mahaleo tena.”












