Notanterahina ny Alarobia 16 Jolay 2025 teny amin’ny Foiben’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza, ny “Andro Ara-tsiansa faharoa”, hetsika nokarakarain’ny Fikambanana Malagasy momba ny Fahasalamana ara-panatanjahantena (AMMS).
Nifantoka tamin’ny lohahevitra hoe “Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny fitsaboana ara-panatanjahantena ho fiarovana ny laharam-pahamehan’ny atleta” ity andiany faharoa ity.
Nandritra izany no nanatanterahana atrikasa sy famelabelarana maro, niompana tamin’ireo lohahevitra mifandraika amin’ny fitsaboana ara-panatanjahantena, niarahana tamin’ireo manampahaizana Malagasy.
Nisolo tena sy tonga nanatrika ity hetsika ity ireo tale isan-tsokajiny avy amin’ny fitaleavana jeneralin’ny Fanatanjahantena eto anivon’ny minisitera.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihin’Andriamatoa Moustapha Marson, dia maneho hatrany ny fankasitrahana sy fanohanana ny ezaka nataon’ny AMMS sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ireo fandraisana andraikitra ireo dia anisan’ny lalana irosoana hahitana vahaolana maharitra ho amin’ny fampandrosoana ny fahasalaman’ny atleta sy ny tanora mpikatroka ara-panatanjahantena manerana ny nosy.