Tontosa soa aman-tsara ny 16 Desambra 2025, tao amin’ny Hôtel Calypso, Toamasina, ny fivorian’ny 4ᵉ Réunion du Comité Mahasaky 2025.
Ny tetikasa Mahasaky dia mikendry ny hampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny tanora sy ny vehivavy amin’ny raharaham-pirenena, ary mifanaraka tanteraka amin’ny politika ankapoben’ny fanovana ary koa amin’ny paikady sy laharam-pahamehan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Nohamafisina nandritra izany fa raha mandray anjara mavitrika sy sahy mijoro amin’ny raharaham-pirenena ny tanora sy ny vehivavy, dia miseho mazava sy azo refesina ny fivoarana amin’ny lafiny maro.
Nitarika ny fivoriana tany an-toerana ny Minisitra, Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré niaraka tamin’ireo manampahefana sy mpiara-miombon’antoka, anisan’izany ny Solombavambahoaka Toamasina I sy ny avy ao amin’ny Caucus Genre, ny Préfet, ny solontenan’ny Governora sy ny Kaominina, ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PBF, UNFPA, PNUD, EISA), ireo OSC mpanatanteraka ary ireo solontenan’ny tanora nisitraka ny tetikasa.
Taorian’ny tombana ny asa vita sy ny fifampizaràna vina ho an’ny taona 2026, dia nifarana tamin’ny fankatoavana ny PTA 2026 ny fivoriana.