Nanomboka ny alatsinainy 15 desambra 2025 ny fifanatrehana eo amin’ireo mpikabana eo anivon’ny Governemanta izay tarihan’ny Praiminisitra Herintsalama RAJAONARIVELO sy ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara, fotoana izay ahafahan’ireto farany mametraka ny fanontaniana sy mitatitra ny hetahetan’ny vahoaka eo anatrehan’ny fahefana mpanatanteraka.
Nandray anjara tamin’izany fihaonana izany ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Alain Désiré RASAMBANY ary teboka maromaro no nitondrany fanazavana manoloana ny fanamarihana noentin’ireo solombavambahoaka :
- Kianja Ankazobe : mahakasika ny anjara andraikitry ny minisitera manoloana ny fahasimbany. Nitondra fanazavana ny minisitra fa tsy ny minisitera no nitantana ny kianja mivantana na ara-bola na ara-teknika amin’ny maha tetikasan’ny filoham-pirenena azy teo aloha kanefa tsy hitazam-potsiny ny minisitera fa hijery akaiky mahakasika ny fitohizan’izany fitantanana izany miaraka amin’ny Fiadidina ny Fanavaozana ny Repoblika ny amin’ny asa azo atao ankehitriny.
- Kianja ao Antsiranana izay mahazaka mpijery 6000 : ny famitana ny ivelany sisa no tsy vita amin’izany kanefa mbola tsy tafiditra anatin’ny tetibolam-panjakana 2026 ny fanatanterahana izany ka mangataka ny fiaraha-miasa amin’ireo solombavambahoaka ny amin’ny hanao ady sisika hampidirana izany asa miandry izany ho tafiditra anatin’ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana amin’ny 2026. Mahakasika ny Gymnase ao Antsiranana ihany dia hita fa miha simba na ny anatiny na ny ivelany ka hojerena miaraka amin’ny solombavambahoaka ny fanamboarana izany sy ny fampidirana jiro ao anatiny
- Gymnase ao Betafo : efa vita ny fanaganana ity fotodrafitrasa ity, ny sisa tavela dia ny fanatsarana vitsivitsy toy ny fametrahana ny tabilao elektronika ka tafiditra anatin’ny tetiandron’ny minisitera amin’ny taona 2026 ny fitokanana izany amin’ny fomba ofisialy.