Fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny filohan’ny FIBA Afrika niaraka tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

Noraisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, niaraka tamin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Alain Désiré RASAMBANY, ny filohan’ny FIBA eto Afrika, Andriamatoa Anibal Aurelio MANAVE, androany teny Iavoloha ary Andriamatoa Jean Michel RAMAROSON ,filohan’ny FMBB

Niarahaba manokana ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay lahy sy vavy ny filohan’ny FIBA Afrika tamin’ny nanaovany poa-droa ka nahazoantsika ny 2025 FIBA 3×3 AFRICA CUP. Niarahaba ny Federasiona Malagasy ny taranja Basket-Ball ihany koa ny tenany tamin’ny fahatontosan’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity teto amintsika.

Nanambara ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny FMBB sy ny minisitera hatrany ny filohan’ny FIBA Afrika hoentina hampiroborobo ny taranja Basket-Ball indrindra ny 3X3 izay tena ankafizin’ny tanora amin’izao fotoana.

Anisan’izany ny fanohanana an’i Madagasikara mba ahafahana mandray anjara amin’ny lalao olaimpika 2028.

Nankasitraka ny FIBA Afrika tamin’ny fahatokisana an’i Madagasikara ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika amin’ny nandraisana ny FIBA 3×3 Africa Cup ary reharehan’i Madagasikara tokoa izany. Zava-dehibe hoy hatrany izy ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena indrindra eny ifotony mba tsy hironan’ireo tanora amin’ny zava-dratsy samihafa. Vinavinaina araka izany ny fanatsarana sy fanorenana fotodrafitrasa afaka hilalaovan’ireo tanora malagasy ny taranja Basket 3×3.

Autre Articles