Fanofanana tanora : kendrena hiteraka asa avy hatrany

Tanora 79 no kendrena ho tonga mpandrahara matianina amin’ny fanodianana ny vokatra an-dranomasina tao Toliara

Naseho ny maha-zava-dehibe ny fanombohana amin’izay efa misy eo an-tanàna amin’ny fandraharahana, indrindra ho an’ny sehatry ny fanodinana vokatra an-dranomasina.

Nanolotra fiofanana mifandray amin’ny tsena ahazoan’ny tanora tombontsoa mivantana ny Minisitera. Natao mifanandrify amin’ny filàn’ny asa sy ny tontolo iainam-barotra izany.

Ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitera , ny tale jeneralin’ny Tanora ary ny fitaleavana momba ny famporoboroboana ny fandraharahan’ny tanora dia samy nanamafy ny famporisihana manokana ny tanora ny mba hampihatra sy hampivelatra avy hatrany ireo fiofanana azony, ka tsy ho voafetra amin’ny teôrika fotsiny fa ho lasa tetikasa azo tsapain-tànana sy mamokatra.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena dia mijoro hanohana hatrany ireo ezaka rehetra hanampy ny tanora ho mpandraharaha mahaleo tena sy mpamorona asa vaovao.