Nitsidika ny kianja Maitre Kira ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Alain Désiré RASAMBANY, ny 01 desambra 2025 niaraka tamin’ireo manam-pahefana ao an-toerana izay nahitana ny avy ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy ny kaominina ambonivohitr’i Toliara.
Mazava ny toromarika avy amin’Andriamatoa minisitra eo amin’ny asa miandry dia ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny kianja, ny fanavaozana sy fanatsarana ny fitaovana ary ny fanarenana ny kianja amin’ny araka izay azon’ny minisitera atao.
Hiantso ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny minisitera amin’ny fanatanterahana ny asa