Nidina ifotony , nitafa , nanazava politika niresaka mivantana tamin’ny mpianatra ny Minisitra telo mirahalahy. Ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika ANDRIAMPARANY Carl, ny minisitry ny fampianarana ara-teknika TSILEFA Antonio ary ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena RASAMBANY ALAIN DESIRÉ.
Tena mangetaheta fanovana ny mpianatra sy ny tanora.
Nangatahan’ny mpianatra ny fanovana sy fanomezan-danja ny tanora, ary antso avo hijerena akaiky ny zanaky ny Toliara.Nanazava sy nizara ny Politika Nasionaly vaovao ho an’ny tanora sy ny vina ho fampandrosoana ny minisitra tomponandraikitra.
Ezaka ho atao ny fanatsara ny kianja ao amin’ny oniversiten’ny Toliara amin’ny taona 2026. Holokoina ny fotodrafitrasa R+3 ho vita amin’ny desambra.
Nanamafy ireo minisitra fa mila finiavana sy fandraisana andraikitra miaraka ny fanovana, ary tanjona ny hanome lanja ny tanora sy ny mpianatra.