Ry tanora rehetra eto Antananarivo,
Nahemotra amin’ny 20 DESAMBRA 2025 ny FIFIDIANANA ny Filankevitry ny Tanora eo anivon’ny Kaominina (CCJ) eto Antananarivo, araka ny hita ao amin’ny afisy.
Daty lehibe tokony hotadidina :
Ity fanemorana ity dia natao mba hamaliana ny fangatahan’ireo fikambanana maniry ny mbola handray anjara ka analavàna ny fe-potoana hametrahana ireo antontantaratasy. Izao no natao mba hiantohana ny fandraisana anjara betsaka sy mivelatra amin’ny rehetra.
Ny any amin’ny faritra hafa kosa dia ny datin’ny 29 novambra no hanatanterahana ny fifidianana.
Miaraka Manorina ny ho avy, Misorata Anarana !