Noraisin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika tao Iavoloha, ny 25 novambra 2025 ireo atleta Malagasy nahazo vokatra miavaka teo amin’ny taranja Tsipy Kanetibe.
Nisy ny fanolorana mari-boninahitra, izay natao ho mariky ny fankasitrahana sy fanomezam-boninahitra ho an’ireo solontenan’ny firenena nahavita nanandratra avo ny voninahim-pirenena:
- Tompondaka teo amin’ny Vondrona faha-2 sy medaly alimo tamin’ny Monde Tête-à-Tête sy Doublette Mixte, Roma – Italia (15–21 Septambra 2025).
- Tompondaka eran-tany Triplettes Dames, Douai – Frantsa (08–13 Oktobra 2025).
- Fandresena lehibe tamin’ny Triplette sy Tir de Précision Jeunes, Espaina (23–26 Oktobra 2025).
Nisaotra manokana an’Andriamatoa Filoham-pirenena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay naneho ny lanjan’ny fanatanjahantena eo amin’ny politika fanavaozana an’i Madagasikara.
Nankasitrahana ihany koa ny Federasiona Malagasy ny Tsipy Kanetibe noho ny fikarakarana sy fanohanana akaiky ny atleta, izay nahafahana nahazo izao vokatra izao.
Tsy fandresena ara-panatanjahantena fotsiny no notanterahin’ireo atleta, fa fanamafisana sy fametrahana ny anjara toeran’ i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ireo Mpanolotsaina Ambonin’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny lehiben’ny Mariboninahim-pirenena.