Notanterahana ny 21 novambra 2025 tao amin’ny QG Tanora Ankorondrano ny Fararanon-kevitra andiany faha-3, miompana amin’ny lohahevitra « Ny fahavitan-tena ara-tsakafo : ny andraikitry ny tanora »
Nandray anjara tamin’ny adihevitra ireo tanora sy mpisehatra amin’ny fambolena, fiompiana ary fanodinana vokatra, ary nisy ihany koa ny fampirantiana sy varotra nataon’ireo tanora mpandraharaha.
Nampahafantarina fa zava-dehibe ny fanohanana ny tanora amin’ny sehatry ny fandraharahana mba hahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Ao amin’ny YouthCorner ao amin’ny QG Tanora no omena fanampiana, torohevitra ary sehatra hanehoana sy hivarotana ny vokatr’ireo tanora.