Ireo dingana nisongadina notanterahan’ny minisitera : nisy ny tatitra natao tamin’ireo mpiara-miasa nandritra ny fananganan-tsaina

Nitarika ny fananganan-tsaina ny alatsinainy 24 novambra tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny minisitra RASAMBANY Alain Désiré. Nanotrona izany ny Sekretera Jeneraly, ireo Tale Jeneraly sy Tale isan-tsokajiny, ary ny Tale Jeneraly misahana ny Kianja Barea.

Nandritra izany no nanambarana ny tatitry ny asa vita nandritra ny herinandro lasa, anisan’izany ny fanavaozana ny politika nasionaly ho an’ny tanora sy ny politika nasionaly ho an’ny fanatanjahantena. Nohazavain’ny Minisitra ihany koa ny lanjan’ny fandraisan’anjaran’ny Ministera tamin’ny COP 30 tany Brésil, indrindra eo amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny anjara toeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Notsongaina ihany koa fa ny Minisitera no mitantana ny kianja Barea Mahamasina amin’izao fotoana, ary efa eo am-panatanterahana ny fepetra ilaina hahazoana ny fankatoavan’ny CAF

Farany, nanentana Andriamatoa Minisitra ny hanamafisana ny firaisankina sy fiaraha-miasa eo amin’ny mpiasa rehetra, ho fanatrarana ny tanjona iombonana: fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara.