Notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny 21 Novambra 2025 ny fivoriana voalohany ho fanavaozana ny Politika Nasionaly momba ny Tanora (PNJ). Tanora avy amin’ny fikambanana sy vondrona isan-karazany no tonga maro namaly ny antso sy nandray anjara mavitrika tamin’izany.
Natao nandritra ny fivoriana ny fifidianana ireo solontena ho ao anatin’ny komity izay hitondra sy haneho ny feon’ny tanora mandritra ny dingana fanavaozana. Ankoatra izany, nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra sy fakan-kevitra mikasika ireo fanitsiana sy fanavaozana ilaina ao anatin’ny PNJ.
Tonga nanome voninahitra sy nanohana ny hetsika ny Sekretera Jeneraly, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, niaraka tamin’ireo tale isan-tsokajiny sy mpiara-miasa ao amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.