Mandray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré izay tanterahina any Belém Brésil.
Zava-dehibe ho an’ny tanora ny fandraisana anjara satria manana anjara biriky amin’ny fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitra amin’izao ady iraisana izao izy ireo.
Ho an’i Madagasikara, misolotena ny tanora i Lova Renée, mpiaro ny zon’ny ankizy. Mitondra ny tenin’ireo tanora Malagasy izy mandritra ny fihaonana.