Fihaonana teo amin’ny Minisitra sy ny filohan’ny CAF teo aloha, Andriamatoa Ahmad Ahmad.

Nihaona tamin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Alain Désiré RASAMBANY, ny zoma 14 novambra 2025 tao Ambohijatovo ny filohan’ny CAF (Confédération Africaine de Football) teo aloha, Andriamatoa Ahmad Ahmad.

Fifampizarana traikefa amin’ny maha zoky sy tompon’andraikitra ambony teto Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra no anton’ny fihaonana ary nodinihana tamin’izany ny mahakasika ny fankatoavana na ny « homologation » ny kianja Barea izay anisan’ny dingana tokony hirosoan’ny minisitera ankehitriny.