Haverina amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena tanteraka ny fitantanana ny kianja Barea.
Hitohy araka izany ny asa mifandraika amin’ny fepetra avy amin’ny Kaofederasionina Afrikanina miandraikitra ny baolina kitra na ny CAF.
Ny volana janoary, taona 2026 no hametraka ny taratasy ho fangatahana indray ny fankatoavana ny kianja Barea i Madagasikara. Izay rahateo no anisan’ny fanamby goavana apetraky ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tarihin’ny Minisitra RASAMBANY Alain Désiré.
Nisy ny dinikasa teo amin’ny Minisitra sy ny ekipan’ny fitaleavana jeneralin’ny Fanatanjahantena, andaniny ; ny mpandrindra ankapoben’ny CAF sady tomponandraikitry ny fifaninanana eo anivon’ny Fédération Malagasy de Football sy ny mpanampy azy, ankilany. Hifanome tanana ny rehetra ho tombontsoan’ny Baolina Kitra sy ny Malagasy mpitia ilay taranja, mpanjakan’ny fanatanjahantena. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Birao, Ambohijatovo.