Fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny minisitera sy Terres en Mêlées

Notanterahana tetsy Ambohijatovo ny 6 Novambra 2025 ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny fikambanana Terres en Mêlées, notarihin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena RASAMBANY Alain Désiré.

Ity fifanarahana ity dia manamarika ny fanombohana ofisialin’ny tetikasa « Ampi’zay », izay mikendry ny hampihenana ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy (VBG) eny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa amin’ny faritra Analamanga, Atsimo-Andrefana ary Ihorombe.

Ny tetikasa « Ampi’zay » dia mampihatra ny fomba fianarana Rugby for Change, mampifandray ny fanatanjahantena sy ny fanabeazana ho fitaovana fampandrosoana, fitovian-jo ary fifanajana eo amin’ny tanora.

Ity hetsika ity dia manamarika dingana lehibe eo amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy Terres en Mêlées, ho fanohanana ny fanabeazana sy ny fampandrosoana ara-panatanjahantena ho an’ny tanora malagasy.