‎Tanora sy ny fitondram-panjakana : hamerina ny fifampitokisana rava teo aloha ny minisitera, nisy ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka hanamafisana fiaraha-miasa.

????????????????????????????????????

Notanterahana ny fihaonana voalohany niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka ho fanohanana ireo fandaharanasa mikasika ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara.

‎‎Nanolotra paikady efatra lehibe ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ho fanatanterahana izany, ary antenaina ny fanohanana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka:

  • ‎‎Famerenana ny fahatokisan’ny tanora amin’ny fitantanana ny raharaha-panjakana
  • Fanatsarana ny serasera sy ny fahazoam-baovao
  • ‎Fanamafisana ny fandraisan’andraikitry ny tanora eo amin’ny sehatra politika, sosialy ary toekarena
  • Fanamafisana ny tontolon’ny tanora sy ny fanatanjahantena

‎Hifantoka amin’ny fanarenana ifotony ny firenena ny dingana manaraka, izay ialohavan’ny fikaonandoham-pirenena.

‎‎Hapetraka koa ny komity iombonana hanatanteraka ny paikady sy hanara-maso ny fandrosoan’ny asa.