Hisokatra malalaka ho an’ny mpanao gazety rehetra ny loharanom-baovao eo anivon’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena mba hisian’ny mangaraharaha .
Azon’ny solontenan’ny mpanao gazety hatrehana ny fivoriana isaky ny telo volana iarahan’ny minisitera sy ireo federasionina rehetra. Atao mangaraharaha amin’ ny mpanao gazety ny vola fanohanana ny taranja samihafa.
Hanampy araka izay azo atao ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panantanjahantena ny minisitera ahafahana miditra amin’ny fikambanana iraisam-pirenena.
Ho jerena ny ahafahana manampy ny fikambanan’ny mpanao gazety misehatra amin’ny tanora sy ny fanatanjahantena hanana toerana ahafahan’izy ireo miasa malalaka.
Nandray ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena Union des Journalistes Sportifs de Madagascar na ny UJSM ny talata 4 novambra ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena RASAMBANY Alain Désiré.