Noraisin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré, tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 3 novambra 2025, ireo mahery fo malagasy voahosotra ho tompondaka eran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe.
Nisy ny fifanakalozan-kevitra sy fandraisana ny hetahetan’ny Federasiona Malagasy ny Tsipy Kanetibe, mikasika ny fomba hanatsarana ny taranja nandritra ny fihaonana.
Niarahaba azy ireo ny Minisitra tamin’ny zava-bita Nankasitraka ny ezaka sy ny fahafoizan-tena nentin’izy ireo koa izy izay nahafahana nampiakatra avo ny voninahim-pirenena. Nilaza ny Minisitra fa tsy hijery fotsiny ny Fitondram-panjakana, hisy ny mari-pankasitrahana manokana homena azy ireo ho mariky ny fisaorana sy fankatoavana ny zava-bitany.
Nampatsiahy ny Minisitra fa tsy maintsy ho jerena mitovy avokoa ny taranja fanatanjahantena rehetra. Hosorohana ny fiangarana mba ahafahana mampivoatra mirindra ny sehatra ara-panatanjahantena manerana ny Nosy.
»Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia vonona hatrany hiara-hiasa sy hanohana ireo tanora sy ny tontolon’ny fanatanjahantena eto Madagasikara. », hoy izy.