Notontosaina ny sabotsy 13 septambra 2025 teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano ny hetsika manokana ho an’ny zon’ny tanora sy ny torolalana ho amin’ny asa, nokarakarain’ireo tanora roa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny fandaharan’asa Loharano II.
Tanora marobe, lahy sy vavy, ary fikambanana maro samihafa no nandray anjara mavitrika tamin’ity hetsika ity.
Naneho ny fanohanany sy nanome voninahitra ny hetsika, Ramatoa Mioty ANDRIAMPARANY, Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Nandritra ny lahateniny dia nanasongadina izy ny lanjan’ny firotsahan’ny tanora an-tsehatra ho olom-pirenena, na ireo eto an-toerana na ireo any am-pielezana, ary koa ny lanjan’ny fifanankalozana entin’ireto tanora mpilatsaka an-tsitrapo mandritra ny asa maharitra efatra volana ataon’izy ireo eo anivon’ny Ministera.
Ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Loharano II, dia i Masoandro Tandrify RAZAFIMAHEFA sy Anja Mahery ANDRIANALISAONA, dia nanamarika manokana ny hetsika tamin’ny fampiroboroboana ny QG Tanora, izay foibe natokana hampivelatra sy hanamafisana ny fahaleovan-tenan’ny tanora ary hampisongadina azy ireo eo amin’ny sehatra sosialy sy ara-toekarena. Vokatry ny tetikasan’izy ireo dia naorina ny “Point d’Accès aux Droits” sy ny “Point d’Orientation”, toerana iantefan’ny tanora hianarana momba ny zony sy hahazoana torolalana momba ny dingana rehetra arak’asa.
Nisongadina nandritra ny hetsika ny: latabatra boribory, seho ara-kolontsaina, tononkalo slam, lalao fampianarana, fanentanana momba ny lohahevitra maro, ary fijoroana vavolombelona momba ny zon’olombelona, ny fampandraisana anjara ara-tsosialy sy ny asa mendrika.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tarihin’Andriamatoa Abdulah Marson Moustapha, dia maneho fankasitrahana feno ho an’ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny fandaharan’asa Loharano II sy ireo rehetra nandray anjara tamin’ny adihevitra. Ity fiaraha-mientana ity dia manamafy ny fahaleovan-tena, ny faharesen-dahatra ary ny hasin’ny tanora malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.