Tontosa soa aman-tsara ny fihaonambe an-tampon’ny SADC izay nampiantranoana tetsy amin’ny CCI Ivato, ny alahady 17 aogositra 2025.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihin’ny Minisitra Moustapha Marson dia maneho ny fiarahabana an’Andriamatoa Filoha mpitantana ny SADC vaovao, izay tsy iza fa ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Andriamatoa Andry Rajoelina.
Porofon’ny firoboroboana sy ny tanjaky ny diplaomasia Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany, indrindra fa aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika.
Taratry ny fahatokisan’ireo firenena 16 mpikambana ny Filoha Malagasy sy ny Haitarika hananany ihany koa izany.