Fihaonana teo amin’ny Filoha Seychellois, Wavel Ramkalawan sy ny minisitra Moustapha Marson.

Manome lanja hatrany ny fifanankalozana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny tanora sy fanatanjahantena araka ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Moustapha Marson, mba hampivelatra sy hisandratan’ny tanora sy ny mpikatroka ara-panatanjahantena malgasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Nandritra ny dian’ny Minisitra tany amin’ny nosy Seychelles dia nisy ny fihaonana maromaro tamin’ireo minisitra avy amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena eto amin’ny Ranomasimbe Indianina na ny CJSOI.

Nofaranana tamin’ny fihaonana tamin’ny filoha Seychellois, Wavel Ramkalawan, ny fitsidihana.