CJSOI – andiany faha-13: Fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny fitaovana.

Hotontosaina any Seychelles ny 01 hatramin’ny 10 aogositra 2025 izao ny lalaon’ny CJSOI andiany faha-13 izay handraisan’i Madagasikara anjara.

Miisa 119 ny atleta, tanora ary teknisianina handray anjara amin’ny taranja fanatanjahantena valo sy ny sokajy Tanora.

Tonga nitsodrano ary nanolotra vatsin-dalana sy kojakoja ho azy ireo amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana, tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry Rajoelina, sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Andriamatoa Ntsay Christian, ary ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Moustapha Marson ny 30 jolay tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena, Mahamasina, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, Ramatoa Andriamparany Mioty.