Fanokafana ny Fihaonamben’ny Tanora eto amin’ny Ranomasimbe Indianina momba ny toetrandro.

Natomboka ny zoma 18 jolay 2025 tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena  Mahamasina ny Fihaonamben’ny Tanora eto amin’ny Ranomasimbe Indianina momba ny toetrandro. Mitondra ny lohahevitra hoe « Fais entendre ta voix, inspire le changement », ity andiany ity dia manangona tanora an-jatony avy amin’ireo nosy  eto amin’ny Ranomasimbe Indianina.

Nisongadina nandritra ny lanonam-panokafana ny fanotronan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Moustapha Marson. Nandritra ny lahateniny dia nisaotra sy nankasitraka manokana ny fikambanana AIKA, mpikarakara ny hetsika, izy noho ny fandraisany andraikitra amin’ny fanohanana ny tanora sy ny fiarovana ny toetrandro.

Nanamafy ny minisitra ny amin’ny fanohanan’ny minisitera ny hetsika tahaka izao, nasongadiny ihany koa ny maha zava-dehibe ny fampandraisana anjara ny olona manana fahasembanana amin’ireo hetsika rehetra mikasika ny tanora sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Namarana ny lahateniny ny minisitra tamin’ny alalan’ny fanentanana: “Tsy fotoana hitenenana intsony izao, fa fotoana hiasana.”