Nifarana ny sabotsy 12 jolay tao amin’ny Gymnase SOAFENO Antsiranana ny fihaonamben’ny tanora nokarakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny tetikasa Fihariana, niaraka tamin’ny UNICEF Madagascar sy ny UNFPA Madagascar. Izany dia hetsika izay teo ambany fiahian’ny Minisitra Moustapha Marson.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo manam-pahefana isan-tsokajiny avy ao amin’ny faritra DIANA, sy ny ekipan’ny Minisitera notarihin’ny Sekretera Jeneraly, Ramatoa Andriamparany Mioty sy ny tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Rahajarijaona Arlette
Ny hetsika dia tafiditra amin’ny fanomanana ny YOUTHCONNEKT AFRICA SUMMIT 2025, izay hotanterahina eto Madagasikara ny 26 hatramin’ny 30 Novambra ho avy izao, marihina fa misy ny komity nasionaly mpikarakara izay miantoka ny fahombiazan’ny YCAS 2025