Mitohy ny fanatanterahana ny fihaonamben’ny tanora ho an’ny faritanin’Antsiranana. Tafiditra anatin’izany fihaonana izany ny hetsika Tanora Mandrafitra ny Ho Avy, ny Zatovovavy Miavotra sy Mivoatra ary ny Hackathon. Izany no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Fihariana.
Miisa 387 ireo tanora mpiofana. Marihina fa izao fiofanana izao dia tafiditra amin’ny fanomanana ny YouthConnekt Africa Summit 2025 izay hotanterahana eto Madagasikara amin’ny volana novambra ho avy izao.












