Nihaona tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Marson Moustapha, ny alatsinainy 30 jona 2025 tao Ambohijatovo ny solontena vaovaon’ny OIF na ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia eto amin’ny ranomasimbe Indiana, Andriamatoa Traian-Laurentiu Hristea.
Anisan’ny nodinihana tamin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa mahakasika ny fampiharana sy fanatsarana ny lalàna mifehy ny zon’ny Tanora Malagasy. Teo ihany koa ny fampahaleovan-tena ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana ary ny fampiofanana ara-nomerika azy ireo.
Nasiana resaka nandritra ny fihaonana koa ny mahakasika ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny Youth Connekt Africa 2025 izay handraisana tanora sy delegasiona maro avy amin’ny firenena afrikanina mpikambana.
Mitohy hatrany araka izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny OIF mba ho fiarovana tombotsoan’ny tanora malagasy eo amin’ny sehatra maro avy vonona hatrany ity fikambanana iraisam-pirenena ity hifanome tanana sy hanolotra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana.